Nikasa hanafika : maty voatifitry ny zandary i Bilidogy

Ravan’ny zandary ny fanafihana mitam-piadiana nokasaina jiolahy hotanterahina tao Analamiranga, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrika Miarinarivo, ny 12 jolay teo. Nivezivezy teny amin’io fokontany io ry Bilidogy sy ny namany. Tsikaritry ny fokonolona anefa ireto olon-dratsy ireto. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ireo tompon-tanàna. Raikitra ny vela-pandrika. Vokany, voasambotra ity lehibena jiolahy ity. Teny am-pelatanan’ny zandary, mbola nikasa hanohitra i Bilidogy. Nirifatra nandositra izy fotoana vitsy taorian’ny nisamborana azy. Nampitandrina tamin’ny tifi-danitra ireo zandary. Tsy nety nijanona anefa izy ka voatifitra. Naratra mafy, niezaka nanavotra azy ireo mpitandro filaminana saingy tsy tana intsony ny ainy. Nirifatra ireo jioalahy mpiara-dia amin’ity lehibeny ity. Mitohy ny fikarohana ataon’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny asan-jiolahy ka naharatrana olona enina ny 5 jolay teo koa i Bilidogy.

Tsiferana R.

Partager sur: