TSELATRA

Maty notirifin’ireo jiolahy tao an-tranony eny Antsa­habe Ambatomirahavavy, ny asabotsy hariva teo ny zandary iray. Jiolahy telo nirongo basy mahery vaika no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Nofatoran’ireo olon-dratsy kosa ny vady aman-janany. Finday telo sy vola 60 000Ar ary peratra volamena anefa no nalain’ireo jiolahy. Taorian’ny fikarohana, jiolahy roa no efa tratra.

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nisan­doka ho kolonely eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ny zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra Ibity no nahasambotra azy. Nomena taratasy fiantsoana noho ny fandikan-dalàna vitany ny lehilahy iray. Nitady fomba hanavotana ny tenany izy ka nahita an’ity kolonely sandoka ity nanindry bokotra ireo zandary. Nanome baiko ny hamotsorana io namany io anefa ilay kolonely sandoka saingy tsy nanaiky ny zandary.

Nigadona ny sabotsy teo ny helikoptera nitondra ilay miaramila voatifitra vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Mahabe Maintirano. Manaraka fitsa­boana ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana izy. Miasa ao amin’ny bataillon d’infanterie Maintirano ity miaramila ity.

Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny CSP1 Tanam­bao II teo am-pangalarana jiro mandeha amin’ny
herin’ny masoandro ao Tanambao Verrerie Toama­sina. Nangalatra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izy. Ireo polisy nanao fisafoana no nahita azy niaraka tamin’ity jiro ity. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny polisy fa tao amin’ny fiangonana advantista iray ao an-toerana izy no naka ity jiro ity.

Partager sur: