TARATRY ny KANTO

Amin’izao fialantsasatry ny mpianatra izao : hovelomina etsy amin’ny Alliance Française Anta­na­narivo (Andavamamba) ny «Disney». I Odon sy Ilaina ary i Kanto no haneho izany miaraka amin’ireo ankizy ho tonga eny an-toerana. Seho hotanterahina ny 22 jolay izao, manomboka amin’ny 2 oa tolakandro. Hisongadina amin’izany ireo hira tian’ny ankizy na ny «chants Disney».

Takalo dinika amorom-pantana, notontosaina omaly, no nanasongadinan’ny Nalisoa Ravalitera (mpampianatra sady mpikaroka, akademisianina…) sy Ranjatohery Harilala, mpampianatra tantara sady akademisianina fa mifamatotra akaiky ny isa sy ny refy teo amin’ny Malagasy raha tarafina amin’ny fombam-pitenenana sy ohabolana.

Nelson Mandela Day. Tontosaina rahampitso 18 jolay 2023, eny amin’ny Oniversite eny Ankatso, ny fankalazana ny “Nelson Mandela Day”. Hetsika ara-javakanto maro no entina manamarika izany ho an’ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Anisan’izany ny fandefasana horonantsary sy fampirantiana haikanto ary fifaninanana mozika.

Les Samedis de la Fondation H: tontosa ny sabotsy 15 jolay 2023, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fitsidihana manokana natao ho an’ny marenina. Fitsidihana ny efitranon’ny Fondation H sy ny fampirantiana “Bientôt je vous tisse tous” no natao tamin’izany. Tanjona ao anatin’izao hetsika izao ny hanatrarana ny vina “Haikanto ho an’ny rehetra”. Hi­tohy hatrany ny hetsika ary hisokatra ho an’ ny rehetra.

Partager sur: