Hangatsiaka vokatry ny zavona : 4°C ny maripana ambany indrindra

«Mbola hahazo vahana ny zavona maraina eto amin’ny faritry ny afovoantany rehefa maraina ho an’ny telo andro voalohany», hoy ny sampana famantarana ny toetry ny andro, omaly. Raha ny anio, ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy no mamaritra ny toetry ny andro. Hiakatra ny maripana ambony indrindra ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoantany sy any atsinanana. Hidina kosa ny maripana ambany indrindra (7°C) ny maraina. Mety hahazo erika ny afovoantany, ny tapany hariva, satria mahazo vahana ny alizay rehefa miala ny zavona maraina. Hahazo orana malefaka kosa i Toamasina sy Analanjirofo. Rahampitso, handrahona ny maraina ary hahazo erika ny afovoantany ny hariva, raha mbola hitohy ny orana malefaka ho an’ny tapany atsinanana. Tsy miova fa hisitraka erika ihany ny atsinanan’ny afovoantany ny takariva raha handrahona ny maraina. Hidina hatrany amin’ny 4°C ny maripana any Vakinankaratra, raha 10°C eto Antananarivo. Hahazo orana malefaka ny ilany avaratra sy atsinanana. Mila miomana amin’ny akanjo mafana hatrany ireo mpiadina fanadinana bakalorea fa mamirifiry ny maraina ary hanerika ny tapany hariva.

Vonjy

Partager sur: