INDRAY MIJERY

Manana toeram-pandraisana efatra ireo olona te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina Antananarivo ary vao niampy iray vaovao eny Itaosy. Eny Anjanamasina, ao amin’ny HJRB, eny amin’ ny Cenhosoa ary ao anatin’ny CHUSSPAnalakely. Fahadimy sy vaovao ilay vao notokanana teny Itaosy.
Nahazo efitranon-tsekoly roa ny lisea Fiaferana, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano. Nifarimbona nanatanteraka ny fotodrafitrasa ny fianakaviana Andriantafika, tompon’ny tany nanorenana, ny firaisana Fiaferana sy Ankadikely Ilafy, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ireo mpampianatra…
Nandritra ny hetsika varavarana misokatra nokarakarain’ny ivontoeram-pampianarana «Institut national de santé publique et communautaire» (INSPC), nahatratra 2 728 ireo mpitsidika liana tamin’ny fampahafantarana ireo sampam-pihofanana misy ao aminy. Notanterahina ny 6 jolay sy 07 jolay lasa teo izany, teny Mahamasina.
Mitombo isa ny olona tsy salama manatona ny toeram-pikarakarana ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny ankohonana, tao anatin’ny herinandro. Tsikarika fa maro anisa ireo zaza madinika entin’ny ray aman-dreniny hozahana. Mila mijery mpitsabo avy hatrany raha mahatsapa tsy fahasalamana fa mampihombo ny aretina ny fanaovana dokotera tena.

Partager sur: