Sehatra isan’ny mampiroborobo ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha ny “festival des baleines”. Mampifamatotra ny toekarena sy ny kolontsaina ny hetsika noho izy misintona mpizahatany sy mampidi-bola ho an’ny mponina any an-toerana.
Anisan’ny mampalaza ny Nosy Boraha ny « festival des baleines ». Sehatra mampiray ny kolontsaina sy ny toekarena izy ity ary manamarika ny tantaran’ny Nosy. Nanomboka ny sabotsy15 teo ka hatramin’ny 25 jolay izao ny « festival des baleines » andiany fahafito rehefa niato nandritra ny telo taona. Miavaka tanteraka ny hetsika, mpizahatany 2 500 no handrasana ho avy any an-toerana mandritra ny folo andro hanaovana ny hetsika. Hampiroborobo sahady ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha ny “festival des baleines” noho izy mifamatotra amin’ny lafiny toekarena sy kolontsaina. Vahiny sady mpiahy ity hetsika andiany fahafito ity i Julien Lepers, fantatry ny maro amin’ilay fandaharana “question pour un champion”. Ny zoma teo, tonga tany an-toerana ny filoham-pirenena nitokana ny seranam-piaramanidina. Mahafeno ny fepetra napetraky ny Aviation civile de Madagascar (ACM) ity fotodrafitrasa ity. Velombolo ny rehetra fa hanodina indray ny toekaren’ny mponina ity seranam-piaramanidina ity. Indrindra fa hampiroborobo ny fizahantany ao an-toerana. Tsiahivina fa mitotaly 9 205 ny mpizahatany tonga tao amin’ny Nosy Boraha, ny taona 2019. Mahatratra 5 000 sahady anefa ireo mpizahatany tonga any an-toerana nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2023.
Tanàna manga
Mivelona amin’ny jono ny ankamaroan’ny mponina any an-toerana. Nisongadina nandritra ny fanokafana ny “festival des baleines” ireo orinasa miantsehatra amin’ny toekarena manga toy ny SPSM (Société de pêche de Sainte Marie) sy ny NBS (Nosy Boraha Seaweed) izay mamelona olona aman’arivony maro.
Henintsoa Hani