Herisetra, famotehana fihariana… : miraviravy tanana ireo tantsaha ao Mampikony

Iray amin’ireo distrika mampihodina ny toekarena sy ny fihariana eto Mada­gasikara, amin’ny fambolena sy fiompiana, ny distrikan’i Mampikony. Misedra olana ireo tantsaha amin’izao fotoana izao, noho ny herisetra miaro famotehana ny fiharian’izy ireo, izay ataona andian’olona miditra sy manao an-keriny ary mandroba fambolena. Manoloana izany, nisy ny hetsika nataon’ireo tantsaha iharan’ny herisetra nilanja sora-baventy ny sabotsy teo tao Mampikony. “Misy ny fidirana an-keriny tanin’olona, fandorana trakteran’ireo tan­tsaha, fandrobana sy fanimbana voly izay tsy misy fandraisana andraikitra. Mivadika ho asan-jiolahy mihitsy ny herisetra ataon’ireto andian’olona voakarama ireto”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nidina tany an-toerana niaraka tamin’ireo fiarahamonim-pirenena nijery ity raharaha ity. Nambarany fa manana fambolena manara-penitra ny tantsaha ao amin’ity distrika ity ary mahavelona ny fambolena sy ny fiompiana ataony. Miraviravy tanana anefa ireo fianakaviana 1 700 noho ny an-kasomparana ataon’ireto andian’olona manao asan-jiolahy ireto ka mahatonga ireo mpamboly miantso ny fanjakana hijery akaiky azy ireo. “Izany rahateo no antony nahatonga anay nandray andraikitra amin’ny fiarovana ny zon’ireto tantsaha iharan’ny herisetra ireto. Hanaraka ity raharaha ity hatramin’ny farany izahay”, hoy izy. Ny orinasa Sarelacos no mpandray ny vokatra sady manome teknika sy tohana ara-bola ireo tantsaha. Afa-po izy ireo amin’ny fiakaran’ny voka-bary sy lojo nefa izao potehina sy anaovana asa ratsy izao.

Jean Claude

Partager sur: