Mampihorohro ireo taraiky hariva: mpanendaka 3 lahy tratra teny 67ha

Mpampihorohoro ireo mpandeha an-tongotra hariva eto an-dRenivohitra, mpanendaka telo lahy tra-tehaka.

Nifanenjehana! Saron’ny polisy ny jiolahy telo, tetsy 67 ha, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fisiana asa fanendahana miharo fandratrana eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be 67 ha. Nanao hetsika manokana ny polisy ka samy nanao fanamiana sivily. Nandritra ny fisafoana, nifanehatra tamin’ny mpanendaka telo lahy ireo polisy. Naneho fihetsika hafahafa, efa mitilitily mpandalo miandry taxi-be. Nahatazana ny mpitandro filaminana, nirifatra nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy. Raikitra ny sakoroka. Latsaka teny amin’ny iray tamin’ireo mpanendaka ny antsy lavalela iray. Tsy lasa lavitra, niaraka voasambotra izy telo lahy. Mbola nikasa hanohitra sy handa ny polisy nisambotra azy ireo jiolahy.

Mpamerin-keloka
Nentina natao famotorana, efa mpamerin-keloka avokoa izy telo ireto. Olona maro no lasibatry ny asa ratsiny. Samy efa namita sazy vokatry ny asa fanendahana miharo fampiasana fitaovam-piadiana avokoa izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fa­motorana lalina azy ireto voasambotra ireto. Raha tsiahivina, nahatratra mpangarom-paosy iray tao anaty taxi-be teny Tanjombato koa ny polisy, vao ny faran’ny herinandro teo. Efa nataony am-paosy ny telefaonina an’ny mpandeha iray. Tratra taorian’ny fisavana izany. Anisan’ny mampitaraina ny olona koa, eny Be­horirika sy Anosibe, ny fisian’ireo mpanendaka mivezivezy anaty fitohanan’ny fiara. Mahasahy manokatra varavaran’ny fiara na miditra an-keriny ao anaty fiara fitateram-bahoaka mihitsy.

Tsiferana R.

Partager sur: