Namaky dobo : tratra ireo jiolahy nangalatra trondro

Mahita hirika foana! Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimalaza, teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), afakomaly, ireo jiolahy telo voarohirohy tamina raharaha halatra trondro milanja 40 kg. Nahazo antso fampilazana ny zandary fa misy roa lahy mitondra entana mampiahiahy mandalo eny amin’iny RN2 iny. Niainga avy any Andranosoa, kaominina Ambohimalaza, izy ireo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ka voasakana sy voasava teo amin’ny PK 17+500 ireto roa lahy ireto. Hita tany amin’izy ireo, nandritra ny fisavan’ny zandary, ny trondro (tilapia sy karpa) milanja 40 kg. Fantatra nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary fa avy nangalarina tamina dobo valo teny Andranosoa ireo trondro ireo. Fa omaly maraina, nisy lehilahy iray tonga tao amin’ny biraon’ny zandary Ambohimalaza, nanome vola 105 000Ar ho takalon’ny famotsorana ireo lehilahy roa namaky dobo sy nangalatra trondron’olona ireo. Tsy nanaiky izany ireo zandary ka voatazona niaraka tamin’ny vola nentiny ity lehilahy ity satria fandikan-dalàna ny fihetsika nataony. Nohamafisin’ny zandary fa tsy vao izao fa efa ela no nisiana trangana fahavakisana dobo tamin’iny faritra iny saingy izao vao tratra ireo olon-dratsy.

Jean Claude

Partager sur: