Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely teny Ambohimanambola, ny sabotsy teo, ireo jiolahy tarihin’i Sakay, raindahiny amin’ny fanafihana. Ao anatina tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, mpanendaka,mpandroba ao amin’ny faritry ny kaominina Ambohimangakely ry zalahy ireto. Ahitana an’i Sakay, Salala, Fotsikely, Tranky, Mika, Ndera. Ny alarobia 12 jolay 2023 alina, Pasitera iray niharan’ny fandrobana nataon’ireto jiolahy ireto, tao Ankadindambo Ambohimangakely. Niainga tamin’ity raharaha ity ny fanadihadiana rehetra nataon’ny zandary ka nahafahana nanao ny fanenjehana. Nahitam-bokany ny fikarohana, ny 15 jolay 2023 maraina, tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, eo Manambina, ny jiolahy iray ao anatin’ity fikambananan-jiolahy ity. Somary nampiahiahy ny zandary ny fihetsika ka niroso tamin’ny fisamborana izy ireo. Mbola tratra teny aminy ny kitapon’i Pasitera niaraka tamin’ny baiboly. Niaiky izy fa anisan’ireo nanafika ity mpanompon’Andriamanitra ity. Ity jiolahy ity indray no nanoro ny toerana misy ireo namany ka niafara tamin’ny fisamborana azy enin-dahy.
Jean Claude