TSELATRA

Mpampianatra iray nahatrarana entana halatra tao Andranodaro, distrikan’i Vondrozo, ny 11 jolay lasa teo. Entana efa very ny volana febroary teo ireto tra-tehaka tao amin’ny tranon’ny mpampianatra iray ireto. Nanao fisavana, saron’ny zandary tao avokoa ny fitaovana informatika sy kojakoja mifandraika amin’izany. Nentina natao fanadihadiana ilay Tompon-trano.

Tra-tehaky ny polisy ireo mpanao “opération” finday efa-dahy ao Mahanoro, ny sabotsy 15 jolay teo. Naharay fitarainana ny polisy manoloana ny firongatr’io halatra io. Nanao vela-pandrika. Sarona ny lehilahy miisa efatra. Mpaka ny telefaonina ny roa raha toa ka mandray ary mivarotra izany ireo roa lahy namany.

Narian’ireo telo lahy niaraka tamin’ny “cyclo pousse »ny rongony nilanja 6 kg tao anaty gony tao Tanandava- Toliara II, afakomaly. Nahatazana ny zandary nanao fisafoana teo akaikin’ny kianja filalaovam-baolina ny telo lahy. Nitsoaka avy hatrany izy ireo ka nariany teo ny fitaovam-pitaterana nisy ny gony feno rongony.

Tratran’ny polisy teo am-pandrobana mpivarotra hani-masaka tao Mangarano, Toamasina ny lehilahy iray, ny sabotsy teo. Tamin’ny misasakalina, nalainy ny vola matin’ny renim-pianakaviana iray mpivarotra. Nandalo tampoka anefa ny polisy, nahita ny fahavoa­zan’ilay ramatoa. Natoron’ity farany ny mpitandro filaminana ilay mpandroba ka noraisim-potsiny.

Partager sur: