FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny mpitarika ny antoko ny Fireneko, Rabary Paul, omaly, fa tsy olana ilay anto-bola 200 tap Ar, haloan’ny kandidà hiatrika fifidianana. Natao hanalana an-daharana ireo mpikarama anady politika sy anavahana ny vary amin’ny tsiparifary izany. Tsy tokony hoferana koa ny volan’ny propagandy.

“Tsy maintsy atao izay hisin’ny filaminan’ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hisy fanaraha-maso akaiky aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Tsy maintsy tandrovina ny fandriampahalemana sy ny fitoniana.

“Izao vao nisy filohan’ny Repoblika tena nanambara ny marina teo anatrehan’ny vahoaka”, hoy ny depiote IRD, Antananarivo V, Raholdina Naivo, momba ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety, teny Iavoloha, afakomaly. Ny olana tamin’ny filoha teto hatramin’izay, misy elanelana be amin’ny vahoaka. Naneho ny tena fahamarinana sy namaly ny tena nanitikitika ny vahoaka izy.

Nanambara ny kandidà ho filoham-pirenena, i Paraina Auguste, tany Antsiranana ny herinandro teo, fa tsy hihemotra na nampiakarina ho 200 tap Ar aza ny anto-bola amin’ny fifidianana. Novelabelariny tamin’ireo vahoaka any an-toerana koa ny vinan’ny antoko sy ny fandaharanasany amin’izao hiatrehany fifidianana izao.

Partager sur: