Tontosaina nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 4 aogositra 2023, ny atrikasa “Théatre” ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 15 taona. Ny Compagnie Miangaly Théatre, fikambanana manana ny maha izy azy eo amin’ny teatra malagasy no mikarakara izany. Tanjona ny hambolena indray ny teatra eto Madagasikara sy hanomezana ny vokatsoany ho an’ny ankizy Malagasy.
Mitohy hatrany ny fampisehoana ataon’dry R’imbosa any ivelany. Ny 22 jolay izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny 172 Bd Vincent Auriol 75013 no hanatanterahan’i Mbosa sy Mimi ary i Lidy sy Vavah ny “Mikalo ny BaGasy Omaly”. Hikaloin’ izy ireo ny hiran’i Naly Rakotofiringa, Barijaona, Ranaivo Ranarivelo, JJ Tseheno, sns.
Any Arivonimamo indray ny tarika Mage 4, ny alahady 23 jolay izao. Ao amin’ny kianja monisipaly no hitondran’izy ireo ny “Samy faly”. Hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny fampisehoana, sahaza ny fianakaviana, indrindra ireo nanala ny fanadinana bakalorea, raha ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny tarika. Hanana endrika fitsangatsanganana rahateo ny “Samy faly”.
Mitaintaina ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “lalaon’ny Frankôfônia”. Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra be ihany na handeha na tsia izy ireo. Ny sasany efa miomana foana hatrany, saingy misy ny entana tokony halefa mialoha. Misy ireo nilaza fa tsy afaka ny handeha intsony, toa ny Compagnie Miangaly, noho ny fikorontanan’ny fandaharam-potoanany.