Vokatry ny fiakaran’ny isan’ireo tanora miatrika ny fanadinana Bakalorea dia mifanome tanana ny minisitera 3 tonta amin’ny fampandehanana ny fanadinana.
Nandritra ny fidinana teny amin’ny foibem-panadinana LMA Ampefiloha, omaly, nataon’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, no nilazany fa ifarimbonan’ny minisitera telo tonta ny fampandehanana ny fanadinana Bakalorea satria nitombo be ny isan’ny mpiadina.
Mandray anjara manomboka amin’ny fandaminana voalohany hatrany amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ny rehetra. Anisan’izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa.
Mitombo, araka izany, koa ny filana ara-pitaovana sy ny olona ka izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa.
Tamin’ny taon-dasa, manodidina ny 180 000 ireo mpiadina nanerana ny Nosy. Niakatra manodidina ny 12% izany, tamin’ity taona ity (215 630).
Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fanombohana ny fanadinana, omaly. Nisy ihany ny fahatarana kely tamin’ny toerana sasany noho ny fandaminana saingy tsy nanakorontan-javatra izany, raha ny fanazavan’ny minisitra hatrany.
Efa napetraka ny fandrindrana manokana ireo mpiadina mila fikarakarana mifanaraka amin’ny mety ho fahavoazany na ireo mpiadina manana fahasembanana.
Tamin’ny ankapobeny, nilaza ireo mpianatra izay nanontaniana fa mora ihany ny adina fil ôzofia nisantarana ny fanadinana, omaly maraina. Nisafidy ny laza adina faharoa ny ankamaroan’ireo nanontaniana momba ny fanehoan-kevitra mikasika ny hoe, “Ny siansa irery ihany no hany fisainana mahomby ankehitriny”.
Tatiana A