CUA : mivory ny filankevitra monisipaly

Nanomboka omaly, ary hifarana rahampitso ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny filankevitra monisipaly, ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Mitarika izany ny filohan’ny filankevitra, Andriamparany Ralitera sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Randrianoely Martin, izay nisolo tena ny ben’ny Tanàna .
Miisa 20 ireo lahadinika natolotra hodinihina mandritra ny fivoriana izay miompana betsaka amin’ny tetikasa fampandrosoana ara-tsosialy eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Anisan’izany ny fangatahana sy fanovana anaran-dalana vitsivitsy eto an-dRenivohitra izay tsy maintsy mandalo filankevitra ny fanatanterahana izany.
Eo koa ny fangatahana fanorenana fotodrafitrasa toy ny CSBII, ho fitsinjovana sy hiantoka ny fahasalaman’ny mponina eny ifotony. Ankoatra izany, ny tetikasa fanalefahana fanomezan-dalana fampidirana rano fisotro madio amina tanàna maromaro izay tena aina ho an’ny vahoaka…
Rahampitso no hifarana ny fivoriana ka eo no hahafantarana ny fanapahan-kevitry ny filankevitra monisipaly momba ireo lahadinika naroso.

Tatiana A

Partager sur: