Lalaon’ny «Francophonie 2023». Ailik’ireo minisitera roa, Kolontsaina sy Fanatanjahatena ny fiantohana ireo mpanao Freestyle amin’ny taranja baolina kitra. Tsy fantatr’izy ireo ny minisitra mpiahy azy ireo. Marihina fa ny “Jeux de la Francophonie”, atao any Kinshasha, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao.
Hery Bastien, mpilalao Barea, nahazo klioba vaovao ny tenany. Ao amin’ny Galway United FC Irlande, diviziona faharoa izy no hilalao amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Tsiahivina fa tamin’ny fihaonan’i Angola sy i Madagasikara no voaantso Barea farany i Hery Bastien. Marihina fa tsy nanana klioba izy taloha teo.
Lalaina Nomenjanahary na i Bôlida, kintan’ny Barea, tamin’ny Can 2019, nahazo diplaoma mpanazatra “Brévet d’entraineur de Foot-ball” (BEF), rehefa niofana nandritra ny herintaona. Marihina fa mitovy lanja amin’ny “Licence UEFA A”, ny BEF. Tsiahivina fa ny 5 jolay lasa teo i Bôlidano nahazo ny mari-pahaizana amin’ny fitantanana fanatanjahantena, tao amin’ny Oniversiten’i Lyon.
Basikety-Mada U14. Niditra tamin’ny andro fahatelo ny lalao fifanintsanana isam-bondrona, omaly, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, ho an’ny latsaky ny 14 lahy sy vavy, taranja basikety. Lalao nisongadina, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea, ny namontsanan’ny ekipan’ny CRJS ny ALSI, tamin’ny isa mavesatra 70 no ho 7.