Vox Angeli Vivace : nivoaka ny rakikira manokana, « Tsy hay hadinoina »

« Seha-pikarohana ara-javakanto na « laboratoire de musique » ny Vox Angeli. Ny mozika izay mety sy afaka trandrahana ho kanto dia ezahina avoitra avokoa ». Fana­za­vana nomen’i Fahombia­zana Andrianamelasoa io. Izy no mpitarika ny Vox Angeli Vivace. Mivelatra amin’ny mo­zika, araka izany, ity amboaram-peo ity, na dia manana fironana amin’ny mozika kla­sika aza. Tsy diso anjara ny hira malagasy, ary porofon’ izany ny namelomana sy na­merenan’ny Vox Angeli Vi­vace indray ireo sanganasan’i Gilles Ramiarison.
Nivoaka nandritra ny seho notontosain’izy ireo ny ala­hady teo ny “Tsy hay hadi­noina”. Mirakitra hira 7, noforonin’i Gilles Ramirarison avokoa ny vokatra. “Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny fianakavian’ny mpamorona, nanomboka tamin’ny taona 2015 tany ka niafara amin’ny famoahana rakikira ”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpitarika.
Raha hiverenana kely, natao hamaranana ny faha-10 taonan’ny Vox Angeli Vivace ilay fampisehoana milohateny hoe “Smile”, natao tao amin’ ny Saint Michel Amparibe, ny sabotsy lasa teo. Hira mahe­rin’ny 20, nahitana ireo klasika vahiny sy hira malagasy no nalahatr’izy ireo. Vahiny na­saina manokana i Bodo , nandray anjara tamina hira roa.

Zo ny Aina

Partager sur: