Tapitra ny fampitandremana, miditra amin’ny « oniversite maty » ny Seces. Henjan-droa ny tady eo amin’ny Seces sy ny fanjakana. Mitebiteby ny mpianatra.
Taorian’ny fihaonamben’ ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ao anatin’ny Seces Antananarivo, omaly, teny Ankatso dia nanapakevitra izy ireo ny hiditra amin’ny «oniversite maty» mandritra ny telo andro.
Mihatra manomboka androany ny tsy fisian’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo hatramin’ ny zoma. Ho hita ny fivoarany amin’ny herinandro raha hihetsika ny fanjakana na tsia, hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka.
Tsiahivina fa nisy ny fe-potoana 72 ora nomen’ny Seces ialan’ireo tomponandraikitra ambony heverin’izy ireo mampikatso ny famoahana ny tombontsoany. Anisan’ izany ny praiminisitra lehiben’ ny governemanta, Ntsay Christian sy ny minisitry ny Vola sy ny tetibola, ary ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Assoumacou Léa Béatrice.
Toy ny antso an’efitra anefa ny fitakian’izy ireo ka izao miroso amin’ny fampiatoana ny fampianarana sy ny fikarohana izao ny Seces eto Antananarivo. Henjan-droa, araka izany, ny tady eo amin’ny Seces sy ny fanjakana.
Etsy andaniny, very fanahy mbola velona ireo mpianatra manoloana ny olana misy ao amin’ny oniversite. Misy amin’ izy ireo hiatrika ny fanadinana manomboka androany, misalasala sy raiki-tahotra vokatr’ity “oniversite maty” ity.
Fandoavana ny ora fanampiny 100% sy ny “vacation” tapany faharoa ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 no anisan’ny takin’ny Seces. Eo koa ny famoahana ny tambin-karama ho an’ny fikarohana sy fanadihadiana nanomboka ny taona 2018 ho an’ny mpikaroka efa misotro ronono. Miaraka amin’ireo ny famoahana ny “reclassement” an’ireo mpampianatra mpikaroka sy ny “titularisation” an’ireo profesora eo anivon’ny primatora.
Tatiana A