Tao anatin’ny ora-mikija sy rivotra mifofo mangatsiaka no nivoahan’ny mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana ho an’ny tanànan’ i Toamasina, ny alatsinainy teo. 13 taona ny mpiadina zandriny indrindra, mpiadina ao Mananara Avaratra “option L”. 63 taona kosa ny zokiny indrindra “Option S” ao Moramanga.
Tetsy amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara no nanatanterahana tamin’ny fomba ofisialy ny fanokafana ny fonosan’ny laza adina izay notarihin’ny prefektoran’i Toamasina, Ambinintsoa Jean José, ny sekretera jeneralin’ny faritra sy ireo tomponandraikitra maro anivon’ny fanambeazam-pirenena notarihin’ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razanakolona Diny.
Tao anatin’ny filaminana ny fizotran’ny fanadinana hatry ny omaly. Vitsy kosa ny mpampianatra mpanara-maso satria olona iray isaky ny efitranom-panadinana.
Ho an’ny faritanin’ i Toamasina, 31 792 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana. 30 215 ho an’ny fampianarana ankapobeny, 2 577 ho an’ny fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa ary miisa 2 220 kosa ny mpiadina amin’ny anaran’ny tenany.
Sajo