Herintaona taorian’ny nahalasanany… : hisy fanomezam-boninahitra an’i Rak Roots

Herintaona izy izay no dify… Fa ao am-pon’ny rehetra kosa, indrindra ireo mpankafy sy ireo akaiky azy. Mazava loatra fa ny fianakaviana sy ny tarika nentiny no akaiky voalohany an’i Rak Roots, ary tsy nanadino ilay andro manjombona tamin’ny taon-dasa. Tsy mitanondrika intsony anefa, fa mitraka miatrika sy hanohy ny fahatsiarovana an’ity mpanakanto folaka andantony ity izy ireo, raha ny fanazavana nomen’ny fianakaviana sy ny solontenan’ny tarika Rak Roots, omaly, tetsy amin’ny Grill’Aro Antanimena.
Fanomezam-boninahitra mandritra ny telo andro, izay hanomboka anio izany. Ao anatin’ny tambajotran-tserasera “Facebook” aloha no hanombohana azy. Hentanina ireo mpankafy Rak Roots mba hametaka ny sariny eo amin’ny “photo de profil”. Ankoatra izay, entanina ihany koa ireo tompona “karaoke” sy toeram-pialamboly isan-kazany mba handefa ny hirany. Ireo mpanakanto namany, asaina mba hanao ny hirany any anaty “cabaret” any…
“Hamoaka hira iray izay efa noraisiny feo tamin’ny 2013 izahay.“Ce qui sont parti” no lohateniny, izay tsy mbola navoakany mihitsy. Tsy hisy fanovana fa izay nanaovany azy ihany no hamoahana azy », hoy ny nambaran’i Fanilo Ramiandramanana, mpi­karakara ny tarika Rak Roots.
Fantatrareo ve fa mbola manana hira manodidina ny 400 i Rak Roots, mimpirina ao anatin’ny ordinaterany? Fa­nambarana nataon’ireo akaiky azy ihany io. Porofo fa nandinika tsara izay hira havoakany ity mpanakanto ity. Hanohy hamoaka izany ny tarika sy ny fianakaviana…

Zo ny Aina

Partager sur: