Vokatry ny korontana : very ny fifantohana, feno tebiteby

Tany amin’ny 4 ora hariva vao nanomboka ny adina Tantara sy Jeografia ho an’ireo mpanala baka, omaly, tamin’ny foibem-panadinana sasany. Tao anaty tebitebin-tsaina no niatrehan’izy ireo izany.
Nitaraina ny amin’ny fahaverezan’ny fifantohana ireo mpianatra sendra anay teny amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely. Tsy nampoizina ny fiovana tampoka ka niteraka fitaintainana. Manginy fotsiny ny fahalaviran’ny toerana hodiana satria misy mody any Ivato, izy ireo. Nanampy trotraka ny hanoanana sy ny hatsiaka nandrava tanteraka ny fahavononana nisy tao amin’izy ireo.
Nisy tamin’ireo mpianatra tany Toliara no safotry ny hatairana sy ny fahadisoam-panantenana ka tsy maintsy nanaovana vonjy aina maika.
Menomenona sy alahelo no heno tamin’ireo ray aman-dreny teny amin’ny manodidina ny sekoly. Tsy nanome rariny ny tomponandraikitry ny fanadinana manoloana ny tandrevaka nampisy ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana izy ireo.
Mbola hitohy amin’ny taranja Frantsay sy SVT ny fanadinana bakalorea, anio. Tsy matoky intsony ny fahamatoran’ny fikarakarana fanadinana na ny ray aman-dreny na ny mpiadina.

Tatiana A

Partager sur: