Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny faha-20 taonan’ny fahavitan’ny sonia fifanarahana, «Protocole de Maputo», tany amin’ny kaontinanta afrikanina. Fiaraha-miasa eo amin’ny Forum Génération Egalité Madagasikara no nanaovana izany.
Efa nanao sonia izany i Madagasikara saingy tsy mbola nanao fanamafisana eo anivon’ny parlemanta. Nohararaotina, omaly, koa ny fampahatsiahivana sy ny fanentanana ireo fitondram-panjakana fa efa 20 taona izay no nanao sonia ka tokony efa miroso amin’ny fanamafisana ny fifanarahana satria ilaina amin’ny fampandrosoana sy ny fampandraisan’anjara ny vehivavy izany. Eo koa ny fisitrahan’ny vehivavy ny zony tanteraka, izay ao anatin’io fifanarahana io avokoa.
Ankoatra izany ny fampahafantarana ny vahoaka ny fisian’izany fifanarahana izany. Nisy ny adihevitra sy ny fiaraha-mientana teo amin’ireo mpandray anjara sy ny solontenan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fananganana ny tranoheva teo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Mbola hitohy ny 28 jolay izao ny fankalazana.
Tatiana A