Hihazo an’i Kinshasa, hiaro ny voninahi-pirenena ihany koa ireo mpanakanto, mandritra ny “lalaon’ny Frankofonia 2023”. Sokajy 7 no handraisantsika anjara eo amin’ny lafiny zavakanto.
Raikitra! Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “lalaon’ny Frankôfônia 2023”, hatao any Kinshasa, Repoblika Demokratikan’i Congo. Eo amin’ny lafiny zavakanto, tanora mpanakanto miisa 22 no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ity fihaonana, izay hatao ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ity.
Seha-kanto miisa 11 no hifaninana eo amin’ny lafiny zavakanto, ka ny 7 amin’ireo no hananantsika solontena. Tokony ho 8, saingy efa nanambara mialoha ny tsy fahafahany mandray anjara intsony ny Cie Miangaly eo amin’ny sokajy “Contes et conteurs”, noho ny fahataran’ny fanomanana, araka ny nambaran’izy ireo.
Vonona ny hanome izay kanto indrindra avy amin’izy ireo kosa ry Ndaty Lahy (hira), Moustik Crew (hip hop), Pi Freestyle (jonglerie avec ballon), Richianny Raherinjatovo (hosodoko), Toky Dimbimalala (saripika), Andriantseheno Fitiavana Ratovo (sokitra) ary i Narda Natioramena (literatiora). Ito farany izay anatin’ny fampahafantarana azy sy ny sanganasany, mandritra ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, amin’izao fotoana izao.
Ankoatra ny maha fifaninanana azy, misy lalantsaina voizina eo amin’ny lafiny zavakanto, mandritra ny “lalaon’ny Frankôfônia”. Sehatra natao hanehoana fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’ireo firenena mampiasa ampahany na manontolo ny teny frantsay ihany koa io. Natao hampamiratra ireo tanora eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mba hivadika ho lalam-barotra, aoriana izany.
Na teo aza ny fahatarana, manan-ko hatolotra ary antenaina hitondra medaly mody ireto mpanakanto notsoingaina manokana ary efa nankatoavin’ny mpitsara iraisam-pirenena eo anivon’ny Komity iraisam-pirenena misahana ny “lalaon’ny Frankôfônia” ireto.
Zo ny Aina