Fialantsasatra lehibe: manomana fialamboly maro ny any Toliara

“Grandes vacances Toliara”. Hetsika iray, haka endrika fialantsasatra lehibe sy iombonana izy ity. Nampahafan­ta­rina tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, ny andinindininy amin’ity andiany voalohany ity. Hotontosaina ny 4 ha­tramin’ny 27 aogositra izany, izay hanentanan’ny mpikarakara ireo mpizahatany sy mpiala sasatra mandritra ireo telo herinandro ireo.
“Maro ny toerana, ny kolontsaina, ny fomba amam-panao mahasarika ny mpizahatany sy ny mpiala sasatra any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Havadika ho toerana manokana hanehoana izany ny eny Andaboly amin’ ity, izay toerana mampiavaka an’i Toliara. Hisy fotodrafitasa manokana, araka izany, hapetraka eny”, hoy ny filazan’ny mpikarakara ny hetsika. Karazam-pialamboly maro no ho hita eo, toa ny parapente, kitsurf sy ny fifanintsanana amin’ireo lalao nentim-paharazana toa ny ringa sy ny doranga.
“Ankoatra ny ao Toliara, hisy tolotra manokana hitsidihana ireo toerana mahafinaritra ihany koa. Tsy ny teratany vahiny ihany fa afaka misitraka izany koa ny Malagasy hiala sasatra. Hisy ny fitsidihana ny valan-javaboaharin’i Tsimana­petsotse, izay misy zavaboahary tokana aman-tany. Misy torapasika tena tsara nefa tsy be mpahalala ihany koa. Rehefa miverina dia mandeha Anakao ary Mankany Nosy Ve. Misy koa ny fandehana any Andavadoaka, mijery trozona ary tsy maintsy mahita amin’io vanim-potoana io”, hoy kosa Raoelijaona Rija, talen’ny Ofisim-paritry ny fizahantany any Atsimo Andrefana.

Zo ny Aina

Partager sur: