Faha-55 taonan’ny FJKM : homarihina amin’ny synodam-paritany 6

Nitondra fanazavana, omaly, ny tonian’ny departemantan’ ny fiangonana FJKM, Robson Rado Lalaina, mpitandrina fa hatao amin’ny synodam-paritany 6 ny fanamarihana ny faha-55 taonan’ny FJKM.
Hivondrona amin’ireo synoda efa nofantenana manokana ireo ny fitandremana isaka ny synoda misy azy sy manakaiky azy avy. Anisan’ny hanatanterahana izany ny any Nosy Be synodam-paritany faha-18. Mandray ny fankalazana koa ny ao Toamasina synodam-paritany faha-31, Vatomandry synodam-paritany faha-32, Mahajanga synodam-paritany faha-17, Manakara synodam-paritany faha-14, Morondava synodam-paritany faha-36 ary ny any Paris synodam-paritany faha-37.
Hatao ny 18 aogositra, mandritra ny famaranana ny zaikaben’ny diakona sy loholona io fanamarihana ny faha-55 taonan’ny FJKM io. Efa samy manomana ny hetsika fanamarihana avokoa ny fitandremana rehetra izay iraisana amin’io fotoana io. Ny 15 ka hatramin’ny 18 aogositra izao no hatao izany zaikaben’ny diakona sy loholona izany ka hiompana amin’ny fampiofanana ny fotoana. “Diakona mihazakazaka manova ny tantara”. Io no lohahevitra voizina mandritra izany.

Tatiana A

Partager sur: