Tetikasa “Numeracy at Scale” : sekoly 130 nanaovana fanadihadiana momba ny matematika

Nampahafantarina tetsy Anosy, ny alarobia teo, ny fanapariahana ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny RTI International mikasika ny tetikasa «Numeracy at scale». Niompana tamin’ny fanadihadiana natao manerana ny sekoly miisa 130, mahakasika ny fahaizana mahatakatra sy mampiasa ny isa sy ny matematika amin’ny fiainana andavanandro ny tetikasa. Tanjona ny mba hahafahana manangana paikady mazava mifototra amin’ny antontan’isa.

Tamin’ny alalan’ny fandaharanasa Tafita/Jica na tantsoroka ho an’ny fitantanana ny sekoly no nanaovana izany tombana sy fanadihadiana izany.
Ny fandaharanasa Tafita/ Jica dia natomboka ny taona 2016, izay manamafy ny traikefan’ireo fikambanana na ireo mpitantana ny sekoly, mahakasika ny asa tiana ho tratrarina mandritra ny fotoana tsy fianarana. Amin’ny alalan’ ny fampianarana ireo ankizy taorian’ny tombana izay natao azy ireo mandritra ny fotoana tsy fianarana na “approche EaBN/TaRL” no hanatanterahana izany. Atao izany mba hanampiana ireo mpianatra tsy maharaka ao an-dakilasy.

Mizara roa ny fandaharanasa, Anisan’izany ny fanamafisana ny traikefan’ireo tomponandrakitra eny ifotony toy ny FEFFI. Eo ny fampiofanana ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny fampianarana ny taranja matematika sy vakiteny ho an’ny kilasy T2 sy T5. Ankehitriny, faritra miisa 11 no efa misitraka izany fandaharanasa izany.

Tatiana A

Partager sur: