Tratran’ny zandary avy ao amin’ny “brigade territorial” Toamasina, eo ambany fibaikoan’ny GPHC Raherison Susthéne ny lehilahy iray mpisoloky milaza ho manana mena-bato sy vola iray baoritra. Milaza ho manana mena-bato sy mahita vazaha mpividy izany ity lehilahy mpisoloky ity. Efa fomba fiasa fakany vola aman’olona izao fisolokiana izao. Tsy vitan’izay fa milaza koa izy fa misy vola iray baoritra afenina amina toerana tsy hitan’ny olona any aminy. Mindram-bola amin’olona izy ka rehefa azony io vola io dia omeny vola, araka ny filazany. Olona iray niharan’ny fisolokiana no tonga nametraka fitoriana teny amin’ny zandary. Niainga avy amin’izany no nahafahana nanao ny vela-pandrika rehetra ka niafara tamin’ny fisamborana azy, tao Ambalamanasy. Mpisoloky efa gagilahy amin’ny fanaovana asa ratsy toy izao ity jiolahy ity, araka ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Nisy olona roa hafa koa tonga nametraka fitoriana tao amin’ny zandary momba ity fisolokiana avolenta ity ihany. Nandritra ny famotorana no nahafantarana fa manodidina ny 10 tapitrisa Ar sy 8 tapitrisa Ar ny vola nalainy tamin’ireo olona nitory azy ireo, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Toamasina hatrany.
Jean Claude