Lisi-pifidianana : 11 043 838 na 81,25% amin’ny vina ny isan’ny mpifidy

Miisa 11 043 836 na 81, 25% tamin’ny vinan’ny Ceni 13,5 tapitrisa no isan’ny mpifidy, araka ny tatitry ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andria­na­ri­sedo Dama A., teny Alaro­bia, omaly, tamin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Ni­tombo 293 902 izany, fa 10 749 934 ny fanavaozana isan-taona (Rale), taona 2021-2022. Misy faritra fito latsaka noho ny Rale ny isan’ny mpifidy amin’ny fanavaozana manontolo: Amo­ron’Ima­nia, Atsimo Andrefana, Mena­be, Bongolava, Vakinan­ka­ra­­tra, Melaky, Analamanga.
Mahatratra 51,46% ny le­hilahy amin’io rejisitra nasionaly io, ary 48,54% ny vehivavy. 40,27% ny eo anelanelan’ny 36-60 taona, 26,59% ny eo anelanelan’ny 26-35 taona, 21,96% ny 18-25 taona, 7, 78% ny 61-70 taona, ary 3, 39% ny mihoatra ny 70 taona.

Misy antony ny tsy mahatafiditra ny olompirenena
Miisa 1 924 648 kosa ireo mpifidy tafiditra tao amin’ny Rale, nefa tsy tafiditra amin’ny fanavaozana ma­nontolo. Maro no anton’izay. Misy mihevitra fa efa tafiditra tao amin’ny Rale, ka tsy mila misoratra anarana intsony. Nisy nifindra monina, tsy mahafantatra ny fi­sian’ny fanavaozana manon­tolo, tsy manana karapa­nondro, tsy te hisoratra anarana…
“Samy tomponandraikitra ny rehetra”, hoy ny filohan’ny Ceni ny amin’izany.
Na izany aza, tsy hampidirina ao anatin’ny rejisitra nasionaly ho azy amin’izao ireo tsy tafiditra. Lisitra madio no atao, misy finiavan’ny olompirenena hisoratra, tsy misy anarana miverina. Tsy miantoka ny mety ho fisian’ny hosoka koa ny Ceni : fa­hadisoana momba ny olompirenana, fananana karapanondro roa na telo…

R. Nd.

Partager sur: