Mitsahatra ny fanambaran’ny mpanjifa ny tarehimarika amin’ny kaontera Jirama (auto-relevé). Hiverina hitety trano isam-bolana ny mpiasan’ny Jirama. Hisy ny fepetra manokana hanaraha-maso izany. “Antony, maro ny fanambarana ny fandaniana tsy voafehin’ny Jirama, ka mampitaraina ny mpanjifa », hoy ny minisitry ny Angovo.
Atao vaindohan-draharaha ny fampiroboroboana ny toekaren’ny faritra tsirairay. Omen-danja ny vokatra miavaka ary kendrena ho hita taratra anatin’ny lalàna izany. Ny alarobia teo, nihaona tamin’ireo rafi-panjakana voakasik’izany ny minisiteran’ny Varotra. Omaly, nihaona tamin’ireo sehatra tsy miankina ny minisitera. Samy natao etsy Ambohidahy avokoa izany.
Hanao tetikasa momba ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana i Madagasikara. Miisa 2 000 ireo fefy mitsingevana manara-penitra hapetraka manerana ny Nosy ho fampitomboana ny famokarana zana-trondro tsara kalitao. Haharitra dimy taona ny tetikasa, iarahana amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny FAO.
Ampaham-bola madiodio avy amin’ny fanjakana ny hanarenana haingana ny lalam-pirenena. Lalam-pirenena miisa roa no hatao laharam-pahamehana amin’izany, ny RNS 5, ao an-tampon-tanànan’i Mananara Avaratra, mirefy 900 m. Toraka izany koa ny RNS 41 any Ikelikampona sy Fandriana.