2013 tany no nanomboka ilay “Feo roa, gitara roa”. Efa tany ambadiky ny 45 taona tany kosa ny fiarahana ho an’i Dama sy i Erick Manana, noho i Raoul…
“Misy tantara lavabe nahatonga io fiarahanay sy i Dama io. Niainga tany amin’ny fototra nanombohako teo amin’ny mozika mihitsy izany. Raoul no nandrisika ahy”, hoy ny fitantaran’i Erick Manana, nandritra ny fandalovany farany teo. Tsy mba mahafoy ela ny tanindrazana ity mpanakanto ity fa vantany vao mahita hirika dia mandalo mitsidika.
Tampotampoka ny fiverenany, kanefa nahafaly ireo mpankafy ny naheno azy: hanohy indray ny “Feo roa, gitara roa” i Erick Manana sy i Dama.
Hiverina etsy amin’ny CCEsca Antanimena ity fampiaraham-peo sy talenta ity, ny 18 aogositra, amin’ny 7 ora sy sasany hariva sy 20 aogositra, amin’ny 3 ora tolakandro. “Hataonay mirahalahy irery mihitsy ireo seho ireo. Amin’io no hanomezanay voninahitra an’i Daroul ihany koa, ka hanao ny sanganasany vitsivitsy izaho sy i Dama, rahalahiny. Fantatrareo moa fa ny hira nohiraiko voalohany dia nomen-dRaoul? Hanararaotra handray feo izany izahay rehefa tonga aho”, hoy hatrany i Erick Manana.
Raha ny finamanana sy ny fiarahana tokoa, efa ela dia ela ny azy mirahalahy ireto. Ny iray ao amin’ny tarika Mahaleo, ny iray ao amin’ny Lolo sy ny tariny sady nanana ny lalana nizorany no nanangana tarika maro hafa ihany koa. Tsy navelan’ny mozika sy ny finamanana tsy hanana tetikasa iarahana anefa i Erick Manana sy i Dama. Nanomboka tamin’ny fampisehoana nokarakarain’ny mi’Ritsoka Production, ny taona 2013, ny “Feo roa, gitara roa”, izay naverina ny taona 2016, samy tao amin’ny CCEsca ihany. Nitety firenena maro ary efa nahavita seho maherin’ny 50 kosa izy mirahalahy, indrindra taorian’ny nivoahan’ny rakikira “Vaonala” ny taona 2017, narahin’ny “Feo roa, gitara roa”, ny taona 2020. “Tamin’ny efa-taona lasa ny seho niarahanay farany tao, ka mahafaly anay ny hizara revy amin’ny mpankafy indray”, hoy kosa i Dama.
Zo ny Aina