Nisongadina tany Italie ry Weaver Trio sy i Joro Rakotozafiarison, nandritra ny “Festival Bari in Jazz” tamin’ity herinandro ity. Tohin’ny fiarahana tamin’ireo mpanakanto italianina izay nandray anjara tamin’ny “Nosy Boraha Festival” izany.
“Be tige Comedy University Tour”, eny Ankatso. Fampisehoana hatsikana, anio, amin’ny 10 ora maraina izy ity, ao amin’ny Amphi Q1. Hifarimbona hitondra hatsikana araka ny manavanana azy ireo tanora mpanakanto toa an-dry Raytra Belawick, Arohim, Zina Rabedaoro, Aina Maharavo, Deds Clodio, sns.
“Antsa am-panahy”, hotanterahin’i Fanaperana Rambolamanana sy Ny Tsiaro, any Tsiroanomandidy, ilay antsa tononkalo fampifamatorana ny kanto sy ny finoana, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ziona.
Hahazo tombony ny sokajy mpandalina. Hotontosaina, rahampitso, amin’ny alalan’ny “zoom” ilay fampianarana kabary nampitondraina ny lohahevitra: “Kabary : harem-pirenena mampandroso ny taranaka ankehitriny ary lovain-jafy”. Hitondra ny vela-kevitra sy ny famakafakana Ranjatohery Harilala, renala Fi.Mpi.Ma sady akademisianina.