Antsapanana Ambohitrimanjaka: tafarina tanteraka ny fefiloha

Vita tanteraka ny fanarenana ny fefiloha manamorona ny renirano eny Antsapanana Ambohitrimanjaka. Nosaha­nin’ny tetikasa Produir izany ahafahana miatrika ny taom-pahavaratra izay mahamafy ny tosiky ny rano. Ilaina ny fikojakojana ny fotodrafitrasa vita ary manana anjara amin’izany ny rehetra mba haharetan’izy ireny.
Nasiam-panamboarana koa ny fefilohan’i Sisaony ha­vanana eo Ambohiman­gidy, ny fefilohan’Ankady ha­vana­na, Ankeniheny Tanjom­bato sy ny moron’ny fefilo­han’Ikopa havanana. Natao manaraka ny fenitra sy mafy orina izany hahatanty ny fivarinan’ny riaka.
Mampitondra takaitra ma­ro ho an’i Madagasikara sy ho an’Antananarivo ny fandalovan’ny rivodoza, anisan’izany i Batsirai sy Emnati, tamin’ny volana febroary 2022. Mbola mizaka ny takaitra ny fotodrafitrasa maro amin’izao fotoana, indrindra ny fefiloha miaro an’Antananarivo efa narefo rahateo ny ampahany. Nan­dray andraikitra ny tetikasa Produir nanarina ireo fefiloha simba rehetra ary efa vonona hiatrehana ny fotoam-pahavaratra.

Tatiana A

Partager sur: