Nanatanteraka atrikasa fampiofanana momba ny maha olompirenena sy fahaiza-mitarika ara-tsosialy ho an’ireo mpitantana fikambanan’ny mponina sy fikambanan’ny mpivarotra ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nisitraka ny fiofanana ny avy ao Manarintsoa, Andavamamba Anjezika I, AntetezanafovoanyI, Morarano, Mahazoarivo, Ankorondrano Atsinanana, akorondrano Andrefana, Ankorondrano Andranomahery, 67ha Nord Est, Antohomadinika FAAMI, Andranomanalina Afovoany, Antohomadinika afovoany, Ankadifotsy Befelatanana, Antohomadinika Atsimo, Tsarahonenana, Ambatokaranana ary Ankasina.
Teo koa ny fikambanan’ny mpivarotra miisa 5 dia ny F3M, Fimpilo, Fimpimita, Fmpim ary ny VPM.
Nifarimbona tamin’ny fampiofanana ny CUA, tamin’ny alalan’ny CBGLCC, sy ny GIZ nanatanteraka.
Hoentina hampitombo ny traikefan’ireo mpitantana fikambanana amin’ny fahaiza-mitarika sy hizara izany amin’ny mpikambana izay tantanany no tanjon’ny fiofanana natao.
Kendrena ny mba handraisan’izy ireo andraikitra sy hanentana ny mponina amin’ny fanajana ny lalàna mifehy ny fikoloam-pahasalamana na ny CMH, na eo anivon’ny tsena izany na eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy avy.
Tombony betsaka ho anay fikambanana ny fisitrahana fiofanana maimaimpoana toy izao ary tena ilaina hanatsaranay ny fampandrosoana ny fikambanana, hoy ireo mpivarotra.
Tatiana A