Fanaraha-maso ny mpanao fanadinana: «Tsy misy idiran’ny finoana ny fepetra takina ho an’ny rehetra»

Tetsy amin’ny lisea teknika Tanamakoa, nandritra ny fanadinana Bakalorea, sampana teknika, ny alarobia teo, tao anatin’ny adina Fizika sy Simia no nisian’ny famoahana mpiadina manao satroka ba sy sarondoha manampina sofina. Ny lehiben’ny foibem-panadinana no nandray ny fanapahan-kevitra.
Ho an’ ireo nanao satroka ba tsy nahabe resaka fa nanala izany moramora. Ireo
tovovavy nanao sarondoha kosa nanda mafy tsy nety namoaka sofina. Nilaza izy ireo fa fombam-pinoan’ izy ireo izany. Tsy nanaiky hanaraka ny lamina izy ireo ary tsy namoaka ny sofiny ka voatery nandray andraikitra namoaka azy roa vavy ny mpanara-maso ny fanadinana.
Rehefa vita anefa izany ka nilefitra nanaraka ny fepetra amin’ny mila mamoaka ny sofina izy ireo dia afaka niverina nanohy ny fanadinana.
Ankilany, nampiaka-peo ny ray aman-drenin’ ireto ankizy ireto fa misy ny fanavakavahana finoana. Tsy vao sambany ny nisian’ izao tamin’ny fanadinam-panjakana Bakalorea fa efa nisy tranga toy izany tamin’ny taon-dasa. Ny ray aman-dreniny mihitsy no tokony hamantatra ny fepetra tsy maintsy arahina amina fanadinam-panjakana toy izao. “Tsy misy idiran’ny fanavahana foto-pinoana na kely ny fandraisana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fanadinam-panjakana”, hoy kosa ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razanakolona Diny.

Sajo

Partager sur: