Morondava: fihaonambe iraisam-paritra momba ny fandriampahalemana

Mamita iraka any Mo­rondava, faritra Menabe ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ireo delegasiona tarihiny. Omaly, nihaona tamin’ireo olobe, olom-boafidy, olom-boatendry izy ireo amin’ny fanohizana hatrany ireo hetsika sy paikady hitandroana ny filaminana any an-toerana. Hanaikaikezana ny vahoaka sy hanomezana tantsoroka azy ireo hanana fitoniana sy ho afaka hamelatra seha-pihariana ao anatin’ny filaminana. Nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana any amin’iny faritra iny izy ireo. Nanome toromarika hentitra amin’ny tsy maintsy hanoherana amin’ny fomba rehetra ireo fanakorontanana ny fiainan’ny mponina ao Menabe. Hisy araka izany ny fihaonambe iraisam-paritra antsoina hoe «Forum interrégional sur la défense et la sécurité» na FIDS, andiany voalohany, hatao ao Menabe ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy izao. Iarahana amin’ny faritra manodidina : Melaky, Atsimo Andrefana, Vakinankaratra, Bongolava. Iaraha-misalahy amin’ny minisitera maro izany hetsika lehibe izany. Ezaka fampandrosoana ifandrimbonana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana maro samihafa any an-toerana sy amin’ireo faritra ireo.
Naneho ny fahavononany hifanome tanana amin’izany avokoa ireo vondrona ao anatin’ny mpitandro filaminana sy ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana. Nitohy omaly ny fandrindrana sy fandaminana momba izany hahatomombana ity fihaonambe iraisam-paritra ity mba hisitrahan’ny vahoaka isam-paritra tombontsoa.

Jean Claude

Partager sur: