Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Antsahamanitra, ny hetsika “Manal’azy vita Bacc”, andiany faha-30, niarahana tamin’ny tarika Olombelo Ricky, nokarakarain’ny Origina Event mg. Fahombiazana hatrany no azon’ny mpikarakara. Hetsika efa misy isan-taona izy ity ary mbola hitohy hatrany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Zary lasa fanao ny “Manal’ azy vita Bacc” rehefa vita ny fanadinana bakalorea. Tafapetraka ary tanterahina isaky ny fotoana sahala amin’izao izany. Tsy ny mpiadina nandritra ny fanadinana ihany anefa no nianoka ny hakanton’ny fampisehoana, tamin’ity hetsika ity, fa maro ireo Mpanal’azy tamin’ny andiany teo aloha no mbola niverina nankafy izany hatrany, nampian’ny mpankafy Olombelo Ricky. Tsy nifidy taona fa saika tazana teny avokoa ny sokajy rehetra. “Fankafizana Ricky no tena ahatongavanay eto. Feno ny maha kanto ny hirany izay no tena tsy ahafoizanay azy” hoy i Sitraka, mpankafy Olombelo Ricky.
Mbola tsy lefy laza ny hiran’i Olombelo Ricky, na eo aza ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny tontolon’ny zavakanto ankehitriny. Hira maro nahafantarana ny tarika hatramin’izay no nokaloina, nampifaliana sy nanomezany fahafaham-po ny mpankafy azy tamin’izany. Anisan’izany ny “Mbola zaza”, “Avelao”, “1+1”, “Eo anilanao eo”…
Lin M.