Efa miditra amin’ny asa sahady ny ankizy 2 tapitrisa eto Madagasikara. Asa mamoafady no ataon’ny ankamaroan’ny ankizy amin’izany. Nentanina hahafantatra ny zon’ny ankizy ireo ray aman-dreny.
Natao tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fampiasana ankizy. Nisongadina tamin’izany, misehatra amin’ny asa sahady ny 53% ny ankizy any amin’ny faritra menabe. Antony nisafidianana ny hetsika tany an-toerana.
Raha ny fanisana nataon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, niaraka tamin’ny “Organisation internationale du Travail (OIT)” dia mahatratra roa tapitrisa ny ankizy miasa eto Madagasikara. Saika amin’ny sehatra mamoafady sy asa mitera-doza ny ankamaroan’izy ireo. Mpamaky vato, mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, jono, fambolena, fizahantany mamoafady, asa an-trano. Ny eto an-drenivohitra, mikarama mangataka ho an’ny ankohonany ireo ankizy madinika. Sandaina vola kely ny fotoana sy ny fivezivezena.
Miasa tsy misy fiarovana, tsy ara-drariny, karama vary masaka ary anaty fitaintaina ireo ankizy misehatra amin’ny asa aloha loatra. Vokatry ny fahantrana, tsy fahampian’ny ray aman-dreny no manosika azy ireo hiasa na dia ady aman’aina aza izany.
Fanentanana ny ray aman-dreny ny zo fototra tokony hositrahan’ny ankizy no novoizina nandritra ny hetsika. Manan-jo hianatra, ho henoina, ho tsaboina, ho arovana, hilalao… ireo ankizy mandritra ny fahazazany. Mila tohana anefa ny ray aman-dreny hahafahany manatanteraka izay.
Voafaritra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny asa mendrika ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny fampanjariana ny rariny ara-piarahamonina ny votoatin’ny fankalazana, tamin’ity taona ity.
Tatiana A




