Hotanterahina any Lisbonne-Portugal, ny 1 hatramin’ny 6 aogositra izao ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ) ho an’ity taona ity. 80 mianadahy mianaka ireo hisolotena an’i Madagasika any an-toerana. Nanome tolo-tanana ho azy ireo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy teo.
Nitarika ireo solontena ny evekan’i Fenoarivo Atsinanana, Mgr Randriamamonjy Marcellin.
Namaly ny fangatahan’ireo tanora ny filoham-pirenena. Nohamafisiny ny firahalahiana sy ny fanohanany hatrany ireo tanoran’ny fiangonana katolika.
Ahitana eveka, pretra, relijiozy lahy sy vavy ary solontenan’ireo diosezy sy fikambanana masina ireo Malagasy hanatrika ny fihaonambe any Lisbonne. Fahazavan’i Madagasikara no voizin’izy ireo amin’izao diany izao.
Nanainga ho any Lisbonne halina izy ireo rehefa avy nivondrona mialoha nanao ny fiomanam-panahy sy fandraisana ny toromarika rehetra teny amin’ny Tranon’ny Diosezy Morondava, teny Ampanasàna, By-Pass, nandritra ny telo andro. Omaly ihany koa no nanaovana ny lamesa fanirahana sy fitsofan-drano natao tao ao amin’ny Paroasy Trinite Masina Mangasoavina, natrehin’ny rehetra miray fo sy saina amin’ireo solontena nandeha hamonjy ny JMJ 2023 any Lisbonne, Portugal.
Tatiana A




