Navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly, ho porofo fa mahomby ny ezaka eo amin’ny fampianarana ny taham-pahafahana CEPE sy BEPC manerana ny Nosy. Niakatra hatrany ny taham-pahafahana tao anatin’ny 4 taona nisesy. Ho an’ny fanadinana CEPE, nahatratra 76,07% ny voka-panadinana raha ny tombana manerana ny Cisco rehetra eto Madagasikara. Nahafa-po ny vokatra satria 73,87% izany tamin’ny taon-dasa.
Ho an’ny fanadinana BEPC, 61,19 ny taham-pahafahana manerana ny Nosy. Azo lazaina ho fahombiazana satria 59,90% tamin’ny herintaona.
Nandritra ny fotoana niatrehana ny valanaretina, ny taona 2020, no nahitana fidinany ny voka-panadinana, noho ny fihibohana niteraka fahatapahan’ny fiarana nandritra ny fotoana maharitra. Tsikaritry ny mpampianatra ny fihenan’ny fitadidiana sy ny tsy fifantohan’ny mpianatra ary sarotra ny fanarenana taorian’izay. Niverina tsikelikely anefa ny ezaka na teo amin’ny mpampianatra na teo amin’ny mpianatra rehefa nilamina ny valanaretina .
Nahitana vokatra tsara ny paikady rehetra nampiasaina, niakatra tsikelikely ny voka-panadinana izay porofo mivaingana rahateo. Anisan’izany ny fampihenana ny fanapatapahana sy ny fizarana ho roavolana dimy ny taom-pianarana nanaovana ny tombana ho an’ny mpianatra.
Tatiana A




