Bakalorea teknika 2ème série –LMA : nampisavorovoro ny tsy fahampian’ny laza adina nozaraina

Nisavorovoro ireo mpiadina avy amin’ny fampianarana teknika momba ny asa, omaly maraina, rehefa tafavoaka teny ivelan’ny foibem-panadinana Lycée Moderne Ampefiloha (LMA).

Nitaraina izy ireo fa tsy ampy ny laza adina to­kony ho nomena ny mpiadina momba ny taranja
« Schéma automatisme » ka sahiran-tsaina izy ireo. Tamin’ ny 7 ora sy sasany ho an’ny efitrano sasany ary tamin’ny 8 ora mihitsy ho an’ny hafa vao nozaraina ny laza adina ary maro no tsy ampy indray rehefa tonga teny am-pelatanan’ny mpiadina. Tokony ho adiny telo ny faharetan’ny fiatrehana ny taranja nefa tamin’ ny 10 ora maraina no naneno ny kiririoka ary nahoron’ny tomponandraikitra ny kopiam-panadinana rehetra. Taty an-tokotany vao niresaka ny samy mpiadina ka nisonga­dina fa tsy ampy ny laza adina nozaraina ho an’ny efitrano sasany tao amin’ny LMA. Nisy laza adina fanampiny tokony hofenoina fotsiny nefa tsy nozaraina ka voatery namorona vaovao ny mpiadina, noho izany, tsy vita hatramin’ny farany ny famaliana ny fanontaniana rehetra vokatry ny lesoka, hoy ny fanazavan’ny mpiadina iray. Manana lanjan’isa efatra (Coefficient 4) ilay taranja sady fototra amin’ny lalam-piofanana nefa nisy tandrevaka avy amin’ny tomponandraikitra. Mangataka ny hanomezana « bonus » mandritra ny fitsarana ireo mpiadina satria tsy avy amin’izy ireo ny fahadisoana. Nasaina niverina tao anatin’ny foibem-panadinana ireo nahatsapa fa
tsy ampy ny laza adina ka norai­sina ny anaran’izy ireo. Nisa­voritaka sahady izany ny ta­pany maraina ho an’ireto mpiadina amin’ny sampana technique professionnelle in­dustrielle ireto.
Tsy nety nandray ny mpanao gazety ny tomponandraikitra teo amin’ny foibem-panadinana LMA fa mbola nandamina ny olana vokatr’izay tsy fahampian’ny laza adina izay.

Vonjy A.

Partager sur: