Mpianatr’Ankatso : manome 72 ora handoavana ny vatsim-pianarana

Mivondrona ho iray ny mpianatra anatin’ny fikambanana 9 eny amin’ny oniversi­ten’Antananarivo, omaly, ka nanao fanambarana iraisana. Manome 72 ora ny tomponandraikitra izy ireo handoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2021-2022 sy tamin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity.
Mangataka ny tsy hisian’ ny fahatapahan’ny fianarana intsony satria efa tena lany fotoana maro. Tsy tapitra, araka ny fe-potoana tokony ho izy akory, ny fampianarana noho ny fahatapahana lava ateraky ny fitokonan’ny mpam­pianatra.
Eo koa ny fangatahan’izy ireo ny fijerena akaiky ny fotodrafitrasa izay efa tena tra­nainy kanefa dia miantoka ny fampianarana sy ny fahatomombanan’ny fikarohana atao izany. Ankoatra izany, nanaovan’ireo mpianatra tsindrim-peo ny mikasika ny fahatapahan-jiro lava sy ny fampitao­vana ny anjerimanontolo amin’ ny ankapobeny.
Ankoatra ireo, ny tokony hanamafisana ny fandriampahalemana eny an-toerana satria mandry andriran’antsy ny mpianatra manoloana ny gaboraraka tafahoatra eny.
Miray feo ao anatin’ny fanambarana iombonana ny AESM, AEGM, AEDECOUA, AEDM, AEFLSH, AEIAM, SENS, FMSA ary ny AEFMA.

Tatiana A

Partager sur: