Fihaonana amin’ireo mpanao politika : maka hevitra momba ny fifidianana ny Sadc

Efa eto an-toerana haka hevitra amin’ireo mpisehatra politika, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao, ny Sadc. Hanao tombana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo amin’izany.

Hitohy anio hatramin’ny 1 aogositra ny fandraisan’ny Sadc ireo mpanao po­litika. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo ny eo anivon’ny MMM, tamin’ny alalan’ny filohany, Andrianainarivelo Hajo, te­tsy Antaninarenina. Voatsi­ke­ra tamin’izany ny lisi-pifidianana noho ny tsy fanarahan-dalàna ary efa nohazavaina tamin’ny Ceni. “Tsy noraisina ny hevitray… Manampy izany ny tsy fa­narahan-dalàna samihafa eto amin’ny firenena”, hoy ny MM M. Notakiny ny tokony hifampiresahana mialoha ny fanapahan-kevitra raisina. Andraikitry ny rehetra ny fifidianana ka to­kony jerena ny tombontsoan’ny firenena, araka ny nambarany.
Nitaky fifampiresahana mialoha kosa ny “Miara-ma­nonja” noho ny ahiahy. “Tsy mbola azo antoka ny tena ahavitan’ny fifidianana. Eo ny ho­enti-manana sy ny lafiny teknika… Ny fanitsahana ny Lalàm­panorenana, ny zom-pirenena,ny Ceni sy ny HCC “, hoy izy ireo. Hararaotina ny fihaonana amin’ny iraisam-pirenena hampahafantarana azy ireo ny zava-misy, araka ny nambaran’ny “Miara-ma­nonja”. Anisan’ iza­ny ny olana sosialy sy ny fihariana ary ny toekarena. Mitaky finiavana amin’ny fanjakana ny fifidianana raha vonona izy ireo. “Ha­tao ihany ve izy ity sa ahoana ?”, hoy ny “Miara-manonja”.
Efa nohenoin’ny Sadc koa ireo mivoy ny Tetezamita amin’ny endriny “Genie” ka nitaky ny hanemorana ny fifidianana. Nandimby izany avy eo ny Leader Fanilo ary ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery.
Tsiahivina fa mihaino ireo mpanao politika ny Sadc. Tsy mitondra soso-kevitra kosa anefa izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: