“Tsy afa-manafoana ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny filankevitry ny minisitra. Samy manana ny azy… “, hoy ny filohan’ny HCC teo aloha, Rakotomanana Honoré, momba ny didy navoakan’ny governemanta fa 200 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Tsy voatery handalo eny amin’ny Antenimierampirenena ny fanapahana izany, araka ny fampifangaroan’ny mpanao politika sasany.
Marina fa misy ny fisaraham-pahefana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna ary ny mpitsara. Nefa samy manana ny andraikiny sy ny fahefany koa ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra. Tsy tokony hafangaro izay. Mazava izany ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manankery amin’izao fotoana izao. Raha misy tokony hanontaniana ny amin’izay anto-bola izay, tsy olon-kafa no tokony hamaly an’izay fa ny governemanta.
Tsy ny fananana zom-pirenena vahiny no hahazoana mirotsa-kofidiana na tsia, fa ny fizakana zom-pirenena malagasy. Mahazo mirotsa-kofidina izay Malagasy. Mbola Malagasy ny filohan’ny Repoblika, raha tsy misy ary voaporofo fa very ny fizakany zom-pirenena malagasy. Tsy misy fitaka na fivadihana nataony tamin’ny firotsahan-kofidina, taona 2018. Tsy misy taratasy tamin’izany milaza fa tsy Malagasy izy, fa nahafeno ny fepetra rehetra tamin’ny firotsahan-kofidina.
R. Nd.




