Manana anjara toerana eo amin’ny fanabeazana ny zavakanto, indrindra ny mozika. Izany indrindra no nanaovana izao hetsika lehibe izao ho fitaizana, indrindra ho an’ny ankizy sy ny tanora, ao anatin’izao fialantsasatra izao.
Tanterahina anio, ary hitohy ny 28 sy 29 jolay 2023, ny «Festival Ateliers de Musique» andiany faharoa, manerana ny boriborintany enina, eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny kaominina, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina (DACVC), miaraka amin’ny Centre académique de musique Ramahefason (CAM) no miara-misalahy mikarakara izao hetsika lehibe izao. Fampianarana zavamaneno samihafa, iarahana amina matihanina amin’ny fitendrena no atao mandritra izany. Tanjona ny hampiroborobo ny zavakanto, indrindra ny mozika eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Hahazo tombony manokana ny mpankafy sy ny maniry hahay zavamaneno, amin’ity hetsika maimaimpoana, karakarain’ny CUA sy ny CAM ity. Mpahay zavamaneno matihanina no hizara ny fahaiza-manaony amin’ny mpiofana. Gitara isan-karazany, lokangam-bazaha, amponga maroanaka, piano, saxophone ny zavamaneno hampianarina mandritra izany. Ramahefason Lova sy Randrianarivony Mihaja no hampita ny fahaizany eo amin’ny gitara, Razafimaharo Lalaina ny eo amin’ny amponga maroanaka. Ranaivoson Roméo kosa ny eo amin’ny “Guitare basse” raha toa ka Ramahefason Tahina amin’ny saxophone. Ikoto Maela no hampianatra ny Piano ary Randriamanantena Oniantsa ny eo amin’ny Lokangam-bazaha (Violon).
Ny andron’ny 26 jolay sy ny 28 jolay 2023 no hanatanterahana ny atrikasa sy hanaovana ny fampianarana. Hatao ny 29 jolay 2023 kosa ny fampisehoana hanehoan’ireo niatrika fampianarana ny fahaizany norantoviny nandritra izany. Eny amin’ny boriborintany tsirairay avy no hahafantarana ny fandaharam-potoanan’ny atrikasa.
Lin M.