Fampirantiana momba ny fiofanana : hahazo vahana ny teknolojia vaovao

Ho maro anisa kokoa ny oniversite mampiofana mom­ba ny informatika sy ny orinasa misehatra amin’izany mandritra ny hetsika fampahafantarana fiofanana sy asa andiany fahafito eny amin’ny AFT Andavamamba. Sehatra mi­roborobo eto amintsika sy maneran-tany ny informatika sy ny teknolojia vaovao ary manana ny toerana eo amin’ny tontolon’ny asa ka entanina ny tanora liana hitsidika ny fampirantiana eny amin’ny AFT manomboka ny 1 ka hatramin’ny 5 aogositra. “Ankoatra ny fampahalalana ny sekoly ambony samihafa mampiofana, misy orinasa handray mpiasa avy hatrany, indrindra ny tanora ka ilaina ny mitondra ny antontan-taratasy fampahafantarana ny tena (CV)”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo amin’ny AFT, Rakotondrazanany Hasina, omaly, teny Anda­vamamba.
Hahazo vaovao hanoro lalana ny tanora amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana amin’ny sekoly ambony ny hetsika. Manomana fampiofanana amin’ny fandrafetana CV, fifanatrehana amin’ny mpampiasa ny mpikarakara ary lohahevitra 23 no hifampizarana amin’ny mpitsidika ao anatin’ny telo andro voalo­hany.
34 ny mpandray anjara amin’ny fampirantiana ny roa andro farany ka ho maro anisa ny oniversite sy ny orinasa mitady mpiasa. Ankoatra ny hetsika, efa nikarakara tantsoroka sy torolalana ho an’ny mpianatry ny lycée ny mpikarakara, ny volana jona lasa teo, teny amin’ny LMA ary nisokatra ho an’ny mpianatra.

Vonjy A.

Partager sur: