Ramavoarihanjasoa Hélinah : “Andao isika mba hijery ny vahoaka sahirana”

Difotry ny politika? Latsaka ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka amin’izao. Mano­loana izany, miantso ny fijerena ny vahoaka sahirana ny filoha mpanorina ny fikambanana “Ny Hasin’ny Fifankatiavana”, Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah.

“Andao isika mba hijery ireo vahoaka sahirana”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana “Ny Hasin’ny Fifankatiavana”, Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah, manoloana ny fiainam-bahoaka amin’izao. Tena sahirana tanteraka ny vahoaka malagasy, ao anatin’ny fahasaro­tana lalina. Rehefa midina eny ifotony manao ny asa fanampiana ry zareo, mitomany ny ray aman-dreny mitondra ny zanany misitraka “kit scolaire”, ohatra. Tena midona sy mipaka any amin’ny fony ny fanampiana.
Fanampiana ny mpiara-belona ny hetsika ataon’ny fikambanana. “Izay no tanjoko sy ny nofinofiko fahiny hoe mba hanampy ireo sahirana. Satria sahirana izahay taloha”, hoy izy. Mafy be ny lafiny sosialim-bahoaka, betsaka ny marefo. Izay koa no mahatonga ny fikambanana hanao famorana faobe, zaza 103 tany Antsi­rabe II, tamin’ny 24 jona. Nian­tohana tamin’izany ny dokotera, fanafody, malabary sy kilalao ho an’ny ankizy. Zaza 50 kosa no natao teny Ampefiloha
Am­bodirano tamin’ny 9 jolay, zaza 30 teny Bongatsara tamin’ny 21 jolay. Efa nisy koa ny fizarana “kit scolaire” ho an’ny mpianatra 200 tany Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra, taona 2021-2022. Eo koa ny fanampiana ny tantsaha 300 amin’ny zezika sy masomboly tany an-toerana.

Ny mpikambana aloha no ampiana

Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa no misy ny fikambanana hatramin’ny nijoroany tamin’ny 25 jolay 2019. Tanjona ny fanampiana ny mpikambana aloha mba hiakatra ny fari-piainana. Hitadiavan-kevitra ny hanampiana. Mba azo anaovana fanaraha-maso akaiky ny mpikambana. Tamin’ny fanampiana “kit scolaire”, tsy voatery mpikambana no misitraka izany. “Mitady fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izahay amin’ izao”, hoy ihany izy. Tanjona amin’izany ny famoaham-bokatry ny tantsaha, rehefa misitraka fanampiana, fa ampiana ry zareo amin’izany. Nanao fifampiraharahana tamin’ny minisiteran’ny Fambolena ny fikambanana amin’ny fizarana zezika sy masomboly ho an’ny tantsaha. Tantsaha ny ankamaroan’ny mpikambana any an-toerana. Nifanarahana tamin’ny minisi­tera ny hoe ny mpikambana no misitraka an’izay.

R. Nd.

Partager sur: