“Tsy mandà na manaiky an’izany zom-pirenena izany ny HCC. Ny filohan’ny fitsarana ady madio no manome an’izany. Raha tsy manome ny any, azon’ny olona atao ny mampiakatra izany any amin’ny fitsarana”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Florent Rakotoarisoa, teny Ambohidahy, omaly, momba ny fizakana zom-pirenena amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ ny Repoblika.
Ny And. 46 amin’ny lalàmpanorenana no milaza fa ny firotsahan-kofidina no jeren’ny HCC: tsy maintsy manana zom-pirenena malagasy ny kandidà ho filohan’ny Repoblika, efa nipetraka enim-bolana eto Madagasikara, nandoa hetra… Mampihatra an’izay ry zareo. Lavina izay tsy mahatanteraka an’izay.
Manome porofo amin’ny HCC izay tsy faly na manohitra ny firotsahan-kofidin’ny kandidà. Izy no manapaka momba an’izay. Tsy maintsy hivoaka alohan’ny fifidianana ny valin’ ny fitoriana momba ny tsy tokony hampanankery ny firotsahan-kofidin ’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fifidianana 2018, fa nanao hosoka noho ny fizakany zom-pirenena frantsay.
R. Nd.




