Nihaona amin’ireo filoha lefitra roa eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Andry Rajoelina, tany Dar Es Salam, Tanzania, omaly. Teo koa ny lahateniny momba ny lohahevitra nodinihina tamin’ny fihaonana an-tampony.
Nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny filoha lefitra roa eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, Victoria Kwakwa sy i MamtaMurti, ny filoha Rajoelina. Notsipihin’izy ireo ny fahaiza-manaon’ny filoha amin’ny fitantanana tao anatin’ny fe-potoam-piasany. “Eo ny lafiny fanovana samihafa nentinao sy ny fahaiza-mitarika ka iderana anao izany”, hoy izy ireo.
Notsindrin’izy ireo koa fa teo ny firosoan’ny fitondram-panjakana amin’ny dingana momba ny angovo nohavaozina sy ny fampiasam-bola ary ny vahaolana maharitra momba ny Jirama, araka ny nambaran’ izy ireo hatrany.
Voaresaka koa ny tokony hanatsarana ny lafiny fahasalamana ka hanamafisana manokana ny fijerena ireo ankizy sy tanora.
Notsiahivin’ny filoha Rajoelina fa efa tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fitondrana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana. “Niaraha-niasa amin’ny sehatra tsy miankina izany ary notohanan’ny Banky iraisam-pirenena”, hoy izy. Nohamafisin’ny filoha fa hotohizana ny ezaka efa natomboka ho amin’ny fampiroboroboana ny fiainan’ny Malagasy.
Etsy andaniny, nasongadin’ny filoha Rajoelina tamin’ny lahateniny amin’ny fihaonana an-tampony hiresahana ny “Fampiroboroboana ny traikefan’ny tanora mba hiantohana ny fahafahan’izy ireo miasa” ny ezaka vita tao anatin’ny efa-taona mahery. Anisan’izany ny fanorenana efitranon-tsekoly sy ny fampitaovana ary koa ny kojakoja ho an’ny mpianatra. Ny fananganana oniversite isam-paritra, ny foibe fanofanana tanora. Eo koa ny fanamorana ny fisitrahana tany sy ny fampiasam-bola. Ny fanitarana ny velaran-tany fambolena
Synèse R.




