Hanamarika ny andron’ny folara na fanavaozana ny fanekena ireo Tily, ny talata izao, izay karakarain’ny faritany Tily Analamanga Afovoany tarihin’ny filohany, Ravelomanantsoa Sedera Enikaja. Hivondrona etsy amin’ny Parvis Analakely izy ireo mandritra ny ora iray. Eo no hanavaozana ny fanekena izay hataon’ny mpikambana rehetra. Handeha mivantana amin’ny TVM kosa ny fanomanam-panahy sy ny fampahafantarana ny lanjan’ny fanekena eo amin’ny Tily.
Haneno impolo ny lakolosim-piangonana amin’ny 8 ora sy 10 minitra maraina izay miara-miasa amin’ny faritany. Handeha amin’ny TVM ny hira fanekena. Hamatotra ny tendron’ny folarany avy ireo rehetra nahavita fanekena hijoroana fa mila manao asa soa mandritra ny tontolo andro. Handoko ny tranon’ny mpamonjy voina eo Tsaralalàna izy ireo avy eo. Ny hariva dia hisy dinika mikasika ny lanjan’ny fanabeazana tsy manara-drafitra eo amin’ny fampivelarana ny tanora malagasy eny Ambohijatovo.
Manodidina ny 3 000 ireo Tily Analamanga Afovoany mavitrika. Efa an’aliny kosa ireo tily nanoina ny antso raha ny hetsika tamin’ny 22 febroary teo.
Tatiana A