Miandry ny fahafahan’ny fitondram-panjakana mamaly ny fangatahana ny Seces. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny minisiteran’ny Vola sy ny minisitera miahy ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny talata teo. Nihaona koa ny Seces sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny zoma teo. Tsapa fa nisy ny ezaka nataon’ ny fanjakana saingy tsy mbola nivaly ny fitakiana nataon’ny Seces.
Nitondra fanazavana tamin’ny mpianatry ny oniversite, omaly, teny Ankatso ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ao amin’ny Seces Antananarivo mikasika ny zava-misy marina amin’ny fiainan’ny oniversite.
Nanoina ny antso ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra isam-paritra sy ireo mpianatra isaky ny ambaratongam-pampianarana sy ny lalam-piofanana misy azy avy. Tsy hatao tompon-trano mihono ary mba tsy handraisana vilana amin’ny mety ho fanitarana vaovao etsy sy eroa no anton’ny fiantsoana fihaonana.
Mitohy ny fitakiana manaisotra ireo tomponandraiki-panjakana tsy mahomby, indrindra ireo mihevitra ny fanapotehana ny fampianarana ambaratonga ambony. “Tsy handefitra ny fanosihosena
sy ny fanapotehana ny oniversite izahay”, hoy hatrany ny Seces.
Mbola hisy ny fivoriambe hotanterahina ato ho ato handinihana ny tohin’ny hetsika fitakiana sy ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.
Tatiana A